You are here: home > Vetso

DOKAM-BAROTRA - harylovah

Azo vakiana?

Raha zavatra mandalo miserana rehetra
No entina am-pandriana, tsy ahitana tory
Ho reraka eo ianao satria tsy manam-petra
Ny endrika manaitra tsy ho azonao akory

Dokafana matetika hanaitra faniriana
Asesiny jerena mba ho tadidy tsara
Lazainy fa tsy lafo fa takatrao vidiana
Ny trosa vokatr'io?..Anao tsy an-kizara

Izay 'lay dokadokan'ireo varotra mandeha
Tsy hoe dia ratsy akory, fa manintona fijery
Ny teti-bola an-tanana tsy mampirehareha
Voasarik'izy ireny ka ny am-paosinao no very

Ny lesona azo raisina mba hanampiana anao
Na inona manaitra 'zay mivoaka sesilany
Manaova tsinjo lavitra dia saintsaino izao:
"Moa ve tena ilaiko sa mba haitraitra ihany?.."

Sokajy : fananarana

Hevitra mandeha

harylovah (19/09/2011 12:51:43)

Mahaiza mifidy zay tena ilaina. Fa ny zava-manaitra dia tsy mety ritra..

Hametraka hevitra

Midira aloha