You are here: home > Vetso

FAMPIERITRERETANA - harylovah

Azo vakiana?

Rah'mbola_ihany misy manao amboletra
hoe: tsy maintsy ekena ny hevitra_atolony;
Rah'mbola midongy, manisy fepetra
hoe: tsy maintsy tafiditra foana ny olony,
dia mbola hiesona_isika rehetra
fa izy any mandina foana ny molony,
ka iretsy madinika mbola hanjoretra,
Toa fanambakana no sandan'ny tolony...

Harylovah[sept 2012]

Hevitra mandeha

harylovah (28/09/2012 10:18:57)

Rehefa ny vahaolana aroso no miteraka olana indray dia adino eo ny fototry ny olana..Samia ary mieritreritra e! Mankahery antsika rehetra. Misaotra!

Mitsoa (29/09/2012 14:32:52)

marina zany e.d tohizo hatrany ny fanoratana