FANIRY (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faniry
fa tsy faka
Fijery
fa tsy fioty
Mitsiry
Tsy mamaka
Irery
Miangoty...

Tadidinao 'lay hafatro?
...
Fa tsy namaly ianao
Kanefa tsotra izao...

Ny angolanao miantefa
Mamaky rindrim-bato
Kaloiko ianao rehefa
Injay fa sendra miato
Ny lalan'ny fisiako
Satria tsy teo ianao...
F'izao no faniriako
'Zay efa fantatrao...
"Iriko ry Faniry ny hitovy lalan-jotra
am'zay hodiavinao"
Kanefa tsotr'izao...
Faniry fa tsy faka
Mitsiry tsy mamaka
Fa saingy tsy malazo
Maniry te hahazo
Namana sariaka
Maso manjopiaka
Hitaratra ny dia
Tsy misy hoe fitia
Fa silak'hitafàna
Hiombonana hafanana...

Faniry...

Mba rahoviana ihany?

Mikiry...
Ho namanao hatrany

Faniry fa tsy faka
Mamelana tsy zaka...

Harylovah[130212]
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fitiavana
1543 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 13/02/2012 11:02)
Rehefa misy faniriana mety tsy ho to, mbola azo atao ny miventy azy am-po..Mankasitraka
kiriah ( 14/02/2012 22:42)
tsara kely ery izy zany ry harylovah a ! mazotoa e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 13/02/2012 11:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141