FITO LAVITRISA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natao ny an-kanisa
Ka fito lavitrisa
Ny mponina eto an-tany...
Mahavariana ihany!

Fa zava-misy eto
'Zay mbola mampisento
Sy mihamahazo laka
Ny fahantrana lalina izay mbola mihamanjaka...

Ny zo tsy itoviana,
Ny ady ifamaliana,
Ny mpanana mihamanana...
Fa eny ho eny kosa ireo misedra ny hanohanana.

Dia vaka ianao mijery
Fa zary misitery
Tsy azo vinaniana
Hoe
Hatraiza no hangina
Ny hiakam-pahafahana dradraina isan'andro
-'Lay taratra masoandro!..

Fa na izany aza dia mbola manantena
Amboaram-pandresena,
K'izaho sy ianao mitambatra
Dia mbola hiara-tsambatra:
Hiaina ny ho avy
Isika mianakavy..

F'izao aloha miadia,
Andeha hiara-dia
Handresy fanavahana
'Zay sakana mibahana...

Tsarovy ry Sakaiza
Fa tsy mitondra ho aiza
'Zay toa fitiavan-tena,
Mikatsaka harena,
Satria tsy izany loatra no tena fahafahana...
Ny Fo no 'ndeha borahana
Hamoaka fahendrena
Raha te hanavo-tena..

Fa fito lavitrisa ny mponina eto an-tany
Mahavariana izany
k'Andeha hiara-miasa hidera ny mpahary
-Ny fiainana hajary!...

Harylovah [311011]
--------
Rohy:
1332 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 31/10/2011 15:11)
Fito lavitrisa ny mponina eto an-tany, mahavarina izany fa hanao ahoana ny ampitsony? Ny ho avy no hamaly...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 31/10/2011 15:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104