HO AN'ILAY MALALAKO (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao, Malala!

Tsaroako fa hatrizao
dia mbola mihafy ianao;
Tsy ampiampy foana ny isan'andro vao...

Kanefa re ry aiko
mba miady koa ny saiko,
Manao zay azo atao mba hahomby izay kasaiko...

Fa any andro any
Tsy maintsy ho tonga izany,
Tsy maintsy ho tanteraka ireo nofinofy mamy...

F'izao aloha mihafia,
Koloy ilay fitia
Fa tsisy izay ho resy raha ny roa no miara-dia...

Malala!
Tsarovinao izany!...


harylovah(2009)
--------
Rohy:
2494 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 04/06/2011 13:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146