HO AN'NY MALALA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a!
Mahery setra akia
ny rimorimon'ady afafin'ny fotoana,
kanefa ilay fitia
Kolointsika mora, hamelana eny foana...

Malala a!
Ny endritsika roa
halazo sy hiketrona fa nofo mbola_ho tany,
fa maika koa ho soa
ilay firaisantsika mitety ny any ho any...

Malala a!
izay tsy feno anio
tsy sakana handrosoana, hamafa ny hasambarana
satria fitia madio,
mamy sady lafatra no mbola nitambarana...

Malala a!
Tsapanao ry Aiko
fa n'inona kendrena sy ady itolomako
Ny sainao no saiko
Ka ny hahasoa anao no antony ahavelomako...

Misaotra akia, Malala a!

HARYLOVAH [010113 22H48]
--------
Rohy:
4114 1
Hevitra mandeha
harylovah ( 13/02/2013 11:16)
Mahatsiaro ny olon-tiana ny manan-tiana amin'ity volana ity. Mba tsy ho andro iray fotsiny izany fa mba haharitra ho doria... Mirary soa ho antsika rehetra mana-malala rehetra.Lova
hery ( 13/02/2013 18:23)
Mahafinaritra...
Misaotra e
Nofy2 ( 20/10/2014 13:38)
ten tsar!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 13/02/2013 11:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103