INDRAY MIPIKA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fo miara-mitempo
Mikatsatsaka ny mety,
An-tany fandalovana...

Tsy diso sentosento,
Manonja vetivety,
'Reo akom-pahatsiarovana.

Izay 'lay fiainantsika
Sedraina eto an-tany
'Zay tsy azo ialana akory

Fa sary indray mipika
Hifarana ihany,
'Reo zava-mampahory!...

Harylovah(2009)
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana - fiainana
1132 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : Harylovah
Daty : 10/06/2011 10:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151