MANDALO (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanintsana ho maina
Ny felana efa kanto
Namelana andro vitsy...
Hilentika, hisoka
Ny tsiky manja kelin'
Itsy volana itsy...
F'izao no tadidio:
Ho avy ny maraina
Hamony indray, hilanto
Ho hanitra hanerana
Ny kanton-jaridaina
Ny felany manaitra
Hitsimoka any aoriana ...
Ny volana nidify
Nanao fangalampiery
Aoka tsy hampimalo...
Fa haizina manify
Tsy tokony hahavery
Fa sedra mba mandalo
Hitsiky mbola ho raitra
Tsy tokony hahataitra
Ka mendrika itsikiana...

Harylovah_170314 4h25
--------
Rohy:
1475 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 10/05/2014 11:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133