MASO SENDRA TAITRA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza omena tsiny raha hivily lalana aho,
Tsy hampaninona ahy na ho lavitra aza izany
Ny saiko mantsy tsapako fa mifamahofaho
Fa iny lalany iny mantsy misy anao hatrany...

Matahoatra ho tia aho ka aleoko miady mafy
Matahotra hanamontsana ny fahatsoranao,
Toa tsinjoko mialoha ka manjary mampirafy
F'ianao manjary tiana dia ho ota tsotra izao...

Hadalana mantsy, fa dia resy tsy miady
Resin'ny fitiavana izay tsy nifoha akory
Fa maso sendra taitra ka mandika zava-pady
Ny fiafaran'ireny dia ho zava-mampahory...

Aza omena tsiny, fa hiezaka aho hamafa
'Reo lasa, nofinofy, nokasaina ho doria
Tsy hoe dia saro-tiana, na misaina zavatra hafa
Fa maso sendra taitra tsy hamelana fitia

HARYLOVAH( jolay 2011) [matio5:28]
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Ady - Fitiavana
1622 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 20/07/2011 11:07)
Rehefa misy nofy zay tsy azo tanterahina dia ny mivily lalana no mety. ok
NB Misaotra anareo amin'ny fankasitrahana. Ny tompo hitahy anareo...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 20/07/2011 11:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141