MATAHOTRA HO TIA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa izy lasana iny...
Nangarika fijery
Namindramindra maika
Tsy nety noharabaina...
Tsy miavona izy akory fa matahotra ho tia
Matahotra ho antsoina hoe "tiana sy malala"
K'aleony miala mora,
Fa sao dia rendrika eo...
Fa any anatiny any izy iny tena tia,
Maniry anao ho faka hampita ranovelona
ho entiny mamoa, ilay felam-boninkazo
Hanaingo ny fisiany...
Fiarahana mihaja no tena mba kendreny
Mba hitantanana azy,
Izay no faniriany.

F'ianao mbola tanora
Mpitaingina tamboho
Mpiantso, manadala 'reo mpandalo izay miserana...
Misioka ireo heverina fa bika sy tarehy,
Ka tena mba tsy tiana
Fa tsy ampy fahamatorana!...
Tsy fantatrao ny aminy...
Ny hany hitanao dia ny bikany mambabo
Ny tsikiny malefaka toa mora ambakaina
Ny masony miampita izay miloko fahatsorana...
Dia hatreo ihany
Ny ankoatra ireo tsy kaonty...
Dia satrinao jonoina
Dia satrinao hazera,
Dia satrinao sarihana, sy atao an-terisetra
Toy ireo mpivaro-tena
(Tsy vokatry ny fo)
Ka aleony dia miezaka mamboly fahasosorana
mba hanitsiany anao, ka ho azony hotiavina,
Rehefa mba injay fa manam-piovana...
Angamba any aoriana izy indray no hiantso anao
Hanara-dia anao hatrany an'elakelantrano
Raha tsy hoe angaha...
Ho vitany tanteraka ny hankahala anao
Dia hikatona ny fony...

Ka izao ny ahy no hafatro:
Fitia tsy kilalao,
Fitia tsy vitan-tsioka ka antsoina dia ho tonga
Toy ireo alika kely, 'zay manjeny tsisy tompo...
Fa mila fahamatorana,
Mitaky fahendrena,
Tsy ankifindrafindra, fa mitaky fanajana,
Mitaky saina koa fa tsy tia anjambanjambany...
Mila miova ianao raha toa ka tiana hisy ny volam-pahasambarana...

Fa izy lasana iny?
Matahotra ho tia
(Matahotra hanohy ilay fitiavana efa misy)
Fa mody mankahala
Asa raha ho vitany ny hanadino anao...
Ny ho avy no hamaly,
...Izay fa mahereza!


Harylovah (Jolay 2011)
--------
Rohy:
1890 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 29/07/2011 11:15)
Rehefa tsy ampy hivelaran'ny Fitiavany ny tontolo misy, inona no mety hitranga?...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 29/07/2011 11:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153