Mba mahaiza mianina (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mihevitra ny maro, fa hoe mila miasa mafy,
Mba hanana fananana ananan'ny rehetra;
Matory sasak'alina dia mahavita mihafy,
'Zay hahazoana vola,dia atao tsy misy fetra...

Dia asiany teny hoe "Ny fiainana tsy mora..
Tsy vitan-tranga lela ny mamelom-bady,zanaka"
Ny heviny ao ambadika dia be ny mpanakora,
Ka dia misikim-ponitra tsy mahalala lanaka.

Hevero ireo, 'zay mpanana, fa mbola misy banga,
Mbola be fiketrika, mampiasa ny ati-doha...
Alaivo sary an-tsaina hoe inona no hitranga,
Raha ianao izao no lasa mpanam-bola koa!?

Izany tsy midika hoe mampiadana famindra,
Hitady izay malemy, handentehana fangady...
F'izao no fomba fiaina, sady mendrika indrindra:
"Mahaiza mba mianina, rehefa mba mitady!"


Harylovah 06/06/2011
[1Tim6/8-10; Heb13/5]
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1246 0
Hevitra mandeha
arialy ( 13/06/2011 09:50)
tiako tsotra izao, misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 08/06/2011 10:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138