MIFANKATIA HATRANY (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanahy
No mahalala
Ny ngidy manadalan'
Ny embona sy tsiahy ...
Ririnina izao
Ngoly izato nofo
Kanefa tsy mampiofo
Ny fitiavako anao .
Fa na dia lavitra any
Ny misy anao, tsy tazako
Dia tena ahombiazako
Haiko mankamamy
Hainao miaina koa
Ny manafàna hatrany
Ho mamy tena mamy
Ny fiombonantsika roa
Ka eto dia dradraiko
Ho ren'ny manontolo
Fa haiko ny mikolo
Ny tsiahy anao, ry aiko
Ka na hamirifify
Hanaikitra fisedra
Ny kisendrasendra
Dia mbola mankadiry
Ampy handihizan'
Ankaso impiry, impiry
Ny hakantom-pitohizan'
Ny tanjontsika miaraka
Maniry sy mikiry
Hiray fa tsy hisaraka...

Ho valalanina eo
Ny elanelan-tany
F'isika ange jereo
Mifankatia hatrany e !

Harylovah
--------
Rohy:
1794 0
Hevitra mandeha
Imbolatiana ( 11/07/2014 15:20)
Miaiky aho e! marina daholo ny voalazanao fa rehefa ao ny fitiavana tsy olana ny elanelan-tany. Tsara fa tohizo
Nofy2 ( 20/10/2014 13:20)
mafnartra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145