You are here: home > Vetso

MORON-KAMORY - harylovah

Azo vakiana?

Aza sangiana 'ty moron-kamory
Aza irobohana mba hiampitana
Ny fota-mandrevony mbola matory
Ka mitahiry ny dia izay nialana

Fa mora maloto izy io raha dikaina
Ny rivo-mandalo manaitra azy koa
Fa ankamantatra tsy azo lazaina
'Zay voatahiry ao anatin'ny fo

Saro-takarina nefa dia misy
Antony tsara matoa niangaliana
Tia ihany izy kanefa indrisy...
Efa mba manana olona tiana

'Ty moron-kamory toa tony dia tony
Tarafin'ny volana somambisamby
Ka aza mba tairina hono ny fony
Ny efa voafatotra tsy mampitamby...

Harylovah (25/07/2011)

Hametraka hevitra

Midira aloha