NY HASAMBARANA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HASAMBARANA

Soa fa tsy eto ny farany akory
Na feno hasoparana aza ny tany
Misy mitsemboka nefa dia ory
Ao ireo miliba fa sambatra ihany

Moa tsy nifofotra nazoto niasa ?
Nanaja ny marina mba ho tahina
Misy nambinina fa tsy nikasa
F'ireo izay miezaka be fahoriana

Nivavaka ihany nanao asa soa
Nizara ny kely nananany teny
F'ireo tsy miangona, mampiara-droa
Na maro sakaiza aza, lafatra eny

Tsy eto, sakaiza, ny fara fisiana
Tsy eto ny valin'izay nisasarana
K a aza misento na be fahoriana
Minoa fa tsy miangatra ny hasambarana

Harylovah_120314
Mpitoriteny 8 : 6 fa misy fotoanany avy ny zava-drehetra ary ny raharaha rehetra dia hotsaraina avokoa satria efa be ny heloky ny olona 12 Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona,dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra an'Andriamanitra 14..Misy olo-marina iharan'izay tokony ho valin'ny asa ratsy ; ary misy olo-meloka mahazo Izay tokony ho valin'ny asa marina.
--------
Rohy:
2377 1
Hevitra mandeha
Nofy2 ( 20/10/2014 13:24)
ten marin zan!hoy Jehovah Atra ao am Malakia oe " fa tsy ho ampitoviako ny manompo Ahy sy ny tsy manompo Ahy"
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 20/03/2014 03:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172