OROKA VAO (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feno ny volana anio
De ongotako ho any aminao
Ny eritreritro mbola madio
Hiaina ireo lasantsika
Nisantarana oroka vao
Tamin'ny tsirony soa sy baliaka ...
Ary tsinjoko teo amin'ny tarany
Ny hakanton'ny dian-tantarany
Fa inoako fa sambatra ianao
Toa antsika sondriana lalao
Nitsingoloka ny isan'ny kintana
Sy tsy nino ny anjara sy vintana
Fa isika matoa nifanambatra
Dia finiavana te mba ho sambatra
Nisangiana minitram-pitia
Fony isika nanao ny sonia
Tsiaro mamy tsy adino doria ...
'Lay angotinao namilafila
Ary isika ilay menatra kely
Te hiahotra mody tsy mila
Kanefa ilay tsiron-tantely
Mihamitsonika manitra vao
Te hitohaka ilay molotrao ...

Fa feno ny volana anio
Ny eritreritro any aminao
Raha manembona ianao, tadidio
Fa hendry ilay ditra natao ...

Harylovah [091014]
--------
Rohy:
1869 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 10/10/2014 16:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096