RAHA NAMANA IANAO (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miomàna mba hizara
Na tsiky fotsiny aza
Raha namana ianao...
'Zay zavatra mba tsara
Sy mendrika ho filaza
Avoahay mba tantarao

Fa raha fifanampiana
No entina misetra
Ny zotra izay aleha
Hanjary hahaliana
Ny olona rehetra
Ny tanjona handeha...

Tsarovy anefa zandry
Fa tsy voatery hitovy
Ny entana zakaina,
Fa 'zay mba manan-tsandry
No miezaka, Tsarovy!
Ny hafa kajy an-tsaina

Ka raha tsy mifanjana
Na mialona ihany koa
Miatrika ny ho avy
Fitia sy fanajana
Ho tondraky ny soa
Isika mianakavy...

Ny hoe sambatra ry tiana
Tsy ny mandray ihany
Fa ny mizara koa.
Raha misy hakiviana
Mba tantarao izany
Ho maivana ny fo...

Raha namana ianao
Mahay manetry tena
An-dalan'ny fisiana
Ampio sy atrakao,
'Reo mila famonjena
Mizaka fahoriana...

HARYLOVAH(15/07/2011) [Asa 20:35]
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - fiainana - Fitiavana
2198 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 20/07/2011 10:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153