REHEFA MIEZAKA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lokoy ny haizina ho tonga maraina
Ny andro maraina hofafazan'ny ando
Ny ando mifafy hamonto ny tany
Ny tany ho lonaka haniry ny maintso
Ny maintso hisandrahaka hanakatra ny avo
Rehefa mba avo hitsilo ny ambany
Dia hihamazava ny lalan-kombana
Fa ezaka kely miampy, miampy
No hampanjary an-izay nokasaina
ka mikiriza manomboka anio
fa tsy maintsy hamelana izay nantenaina...

Harylovah[280612]
--------
Rohy:
1247 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 07/07/2012 12:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145