SATRY HO TADIDY FOANA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa raha tsikaritrao, fa misy andro sy fotoana
Tiana ho tadidy foana...
Hamohazana hifoha
'Reo tamberina taloha:

Toy ny ngotin'olon-tiana vao manomboka nitsiry;
Topimaso nisy tsiky, feno hery mankadiry...
Fiarahana madio tsy nisaina zavatra hafa;
Resadresaky ny fo, fenofeno tafatafa...

'Lay fiandrasana malala tao anaty zaridaina;
Dobodoboky ny fo, tojo zava-nantenaina...
'Lay fanaovana veloma, tamin'ny andro takariva,
Nifamihana am-binany...Bitsibitsik'ivaiva...

(...)
'Lay fibadabadan-jaza vao mba mianatra miteny
'Lay fihezahany mamindra eny an-joron-drindrina eny;
'Zany izy raha mihomehy, tena vokatry ny fo;
Dongidongy, hantahanta, tiana ho tadidy koa...

Satry foana izy ireny, satry foana ho tadidy,
Te hiaina indray ny lasa, saingy tsisy ny safidy...
Ka ny hany azo atao, dia mamadika diary,
Mba manembonembona eny, mba mandrevirevy an-tsary...

Ka raha satry ho tadidy, irony lasana taloha
Tsy aleo ve mankamamy ny anio handalo indray?
Ka raha faly ianao androany, ny ho avy raha hifoha,
Ho tamberin'izy ireny, tsy ho sedra mahamay...

Asa raha tsikaritrao, fa misy andro sy fotoana
Tiana ho tadidy foana
K'ahitsio
ny andro anio
Ho tamberina madio...

HARYLOVAH [05/07/2011]
--------
Rohy:
Sokajy : embona - fiainana
1654 0
Hevitra mandeha
SIOKATOKANA ( 18/07/2011 09:27)
Mampanembona aok'izany n fametsovetsonao, mamaky azy aho d mitamberina ato an-tsaiko indray ny lasako toa maina az indray aho, tsara e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 11/07/2011 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014