VAHAO NY OLANA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hinia hikipy ianao
Hinia tsy hahalala
fa efa mitofezaky ny hatsiaka sy fanala
'reo tsy mandady harona
Ka 'zay kabarinao ho entina_hampitony
hambabo indray ny fony
Tsy asiany sira akory fa ny zony no voasarona...

Fa
Ny azy ny marariny...?
Mihamihena an-toerana ny fatram-potsimbariny
Fa la lasa ny harena
Ny azy ny marariny...?
Tsy mahavita taona ny vokatra vokariny
Fa lasanao ny tsena
Ny azy ny marariny...?
Mihamidanadana ny fasana namboariny
Fa be ny mosarena...

Ka 'ndeha vahao ny olana...

Tsy hainy ianao mifofotra
Mandamindamin-dresaka am'reo mpamatsy vola
Tsy hainy ianao sahirana
misedra ny hantahantan'ireo tsy mety tola
Tsy misy dikany aminy ny ezakao
hitantana eken'ny maro an'isa...
Ny azy ny fananany? Ariary zato monja no eny am-pelatanany
-ny anao an-tapitrisa
ka lasa mila kisa
fa lany visavisa
iretsy maro an'isa...

Ka 'ndeha vahao ny olana...

Fa izy efa kenda
Izy efa noana
fa tsy ny rendrarendran'ireo liam-pahefana no ndeha hekena foana...
Dia mahereza ianao
hamita 'zay natao
satroy ny fahamarinana
reseo ny fahamaizinana
fa aza ny ati-doha
no entina mialoha
Dia saino am-pahendrena
'zay zavatra nekena
...
Dia handresy isika...

Ka izy ho voky indray,
ny zanany hahay
hahita lakilasy
fa tsy hangasihasy...
Dia Malagasy mihavana
miara-miombon'ady, mihira ny fitiavana
no hiara-belon'eto
- Lavitry ny sento...

'Ndeha vahao ny olana
mamorona hevitra
manaova fahagagana
Na izany aza
deraiko ny ezakao
dia hotahiana ianao
Ry MANAM-PAHEFANA...


Harylovah[290212]
--------
Rohy:
1216 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 02/03/2012 10:24)
Ho an'ny manam-pahefana ....Ny tsikera mety amiko dia ny fampisaintsainana amim-panajana miampy teny fiderana ny ezaka natao na dia nisy aza ny tsy nety ary fanomezana torolalana...Mino aho fa hitondra fanamaivanana izany satria na ahoana na ahoana dia tsy maintsy hisy foana ny vato misakana sy fahasahiranana... Mazotoa daholo mandray ny anjara birikiny.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 02/03/2012 10:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129