VAVAKA FIFONANA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anio aho, ry Ray,
Miondrika mangina, mivavaka aminao;
Satria dia hatrizay,
Tsy sahy aho nijoro na niezaka hanavao,
Ny herin'ny Finoako,
'Zay mbola hijoroako...
Ka eto aho milaza,
Tsy hanadio ny tena,
Fa kosa toy ny zaza
Mitady famonjena
Aminao ry Ray,
'Lay tena maminay...

Ka:

Ifonako aminao, ny ditran'ny fisiako;
Ifonako aminao, irony habibiako...
Ifonako aminao ireny rehetra ireny,
Fa hiezaka aho hijoro, ary mbola hiteny,
F'ianao no avo indrindra,
Afaka mandrindra
Ny miaina eto an-tany,
Hatreto, ka hatrany...

Mino aho, ry Ray
F'ianao mpamindra fo
Ary mbola izay
No tanjonao tokoa...
Ka toky no omeko, fa hiezaka aho hiarina,
Ho mendrika antsoina hoe "Tena mpino marina!"


Harylovah[28 avril 2009 à9h24]
--------
Rohy:
7799 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 27/06/2011 11:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102