ZO (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amiko ny zo dia rariny itoviana
Rafitra najoro tsy mba sarotra itakiana
Fomba hifanajana mba hisian'ny firindrana
Zavatra ananana mihoatra ny lalàna

Amiko ny zo dia mendrika hajaina
Fototr'iorenana mandrindra ito saina
Eken'ny maro an'isa mba ho fefy isakanana
Izay tsindrio fa lavo ka manimba fihavavana

Zoko ny miteny ka milaza ny ato am-poko
Zoko ny mifidy ka manovaova loko
Zoko ny manaiky zay mba hevitra ka marina
Zoko ny miady sy miezaka ho tafarina

Kanefa ekeko kosa raha izany zoko izany
Tsy entiko hanimbana n'iza n'iza eto an-tany
Ny zo ananako aza raha izaho no hanetry tena
Antontoko amin'ny tany raha izay no fahendrena...

harylovah 2010
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1190 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 03/06/2011 11:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147