Ny fiainana (HaryNome)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena manahirana tokoa
Misamboaravoara ny fiainana etoa
Tsy misy afaka manda
Na mafy ny onjany dia zaka
Tena tontolo hafahafa mihitsy
Na mitaraina ory ianao nga izy mitsitsy

Manao tsindrio fa lavo ny kely
Rafa resy ianao dia mizaka rery
Mitaraina sy mijaly mafy
Amin'ity fiainana akafiafy

Resy izy hono zala
Fa aretina mafy no niafara
Ny fiainana ve mangidy
Sa ny olona no lasa biby
Tsy miray hina intsony ny rehetra
Samy manana ny azy fa tsy mitoetra
HaryNome
05/09/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
263 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HaryNome
Nampiditra : HaryNome
Daty : 05/09/2023 07:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0695