NAMANA (harys)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMANA

Namako ianao ka namako
Mamiko sady lalaiko
Namana nomeko ny fitiavako
Namana hamoizako ny aiko

Namana akaikin'ny foko
Namako izaho samirery
Namana tsy hanadino ny toky
Namana hahatsara fijery

Namako ianao ka namako
Mamiko sady lalaiko
Namana nomeko ny fitiavako
Namana hamoizako ny aiko

Namana toy ny voninkazo
Namana mahavelom-bolo
Izay mahita azy dia babo
Toy ny tantely sy ny lolo

Namako ianao ka namako
Mamiko sady lalaiko
Namana nomeko ny fitiavako
Namana hamoizako ny aiko

Namana tsy handosirana adidy
Namana raisina ho toy ny havana
Tsy ho lao na mafy sy mangidy
fa namana an-tanan-kavanana

Namako ianao ka namako
Mamiko sady lalaiko
Namana nomeko ny fitiavako
Namana hamoizako ny aiko

Namana hizarako ny fiainana
Namana ho andefimandry
Namana hifampitovy fisainana
Namana,ilay mahatsangy no ary



harys

23-11-08
--------
Lien:
Catégorie : Namana
1685 1
Fans: Mysento
Commentaires
Mysento ( 10/09/2009 11:30)
Tsara tokoa! Namana ,afaka mamonjy aminy ady sarotra koa.
rhina ( 12/09/2009 14:34)
misotra betsaka harys a tena tsara be le iz
namana manokana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : harys
Inséré par : harys
Date : 03/09/2009 11:46
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138