You are here: home > Vetso

i boto adala - hasina=sariaka

raha mbola valalanina sy trotraka,
ity madama kely,
dia indro tovolahy nihoso-potaka,
mitsiky toa anjely

nijoro tanoloana nijery tsy nipì,
fijery mahonena,
tsy niloa-bolana na nikarajia,
fa nanganehana

taitra razazavavy nahita ity bandy,
sady nalahelo,
kanefa teo indrindra no nanatsotra sandry,
nitrokatroka lelo

namihina an'i kala tsy ankisalasala,
lay olona voretra,
ka namindra loto tamin'zato mbala,
ka nampanjoretra

nanifika i kala nefa tara loatra,
efa nihoson-doto,
hamonjy mariazy efa tsara voatra,
no nolotoin'i boto

avy eo i boto adala niala moramora,
sady lokin'ny hehy,
nihataka fa faly sady nanakora,
nibitaka fandeha

Hevitra mandeha

mandresy1 (20/11/2015 17:35:31)

mampihomehy ihany nefa tena nisy an!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : hasina=sariaka

Nampiditra : mandresy1
Daty : 20/11/2015
Mpamangy : 1198
Mankafy : 3

Tononkalo hafa

fahatsiarovana an'i felicien rakotomalala
lokalokam_pitiavana