NOSY IRAIKA HIANY (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NDAŇY HIFANKATIA

Nosy iraika hiany ro natao hitôratsika
Koa aza mifagnisokisoka mamboly disadisa
Ny ra mikorieña taoko mena aby sady
Naky tsa mitovy ny fiaviena dia aza miadiady.

Malagasy iraika e ! Ndañy hifankatia
Ny fifañajana ro aoka hatao finia
Aza avela hizera ny soatoavina iombonana
Ny lalam-pihavanana ro tsaratsara hizorana.

Rehe ny fari-piaiñana aza ilefana onona
Ny fisaiñana hifañampy ro aoka hataonao voñona
Fa mila miara-miady vao handroso atsika
Tsy maintsy mifañomba vao hisy zava-bita.

Ko ndañy atsika hitambatra hanohitra fahavalo
Ny mifañavakavaka manimba zava-maro
Fa ny fifanohañana ro azo atao fañoitra
Ho tomombana ny lalana, atsika tsa ho toitoitra.

Heriarilala Andriamamonjy 14 mey 2021, in Tapikan'ny Fanahiko, tak 2
--------
Rohy:
254 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 14/11/2022 13:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096