IREO NOFY AN-KIRA (herifaniri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY AN-KIRA

Toa irery foana aho
Raha tsy eo anilanao
Mirenireny eny ho eny
Fa manembona anao foana

Toa mbola manonofy foana aho
Raha mahita anao ka mandre ny feo
Toa tsy mety mino mihintsy aho
Hoe tena ianao no anilako eo

Ireo fihetsiko indraindray
Ifonako aminao raha azo atao
Mahery,fijery,eny na fiteny
Nanenenako avokoa ireny

Ireo nofinofy omeko anao
No valin'ny zava-tsoa azoko taminao
Fitiavana matotra tsy hadalàna intsony
Ho anao avokoa ny fiainako

Toa nofy mamy, toa tsy eto an-tany
Hoe izaho sy ianao mifangaro
Tontolo vao sy hafahafa
Mirakitra an-doha tsy ho voafafa

Izany izaho toa tsy mandia tany
Ka sady faly no toa te hitomany
Mihovitrovitra ny anaty rehetra
Sao ho nofy ihany izany ka misy fetra

...........herifaniri_COOPER
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1492 1
Hevitra mandeha
rfjo ( 28/07/2006 06:23)
Mahafinaritra, ary,
nanaitra ny ati-fo,
Na somary lavalava aza,
Tsy nandreraka ny loha!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : herifaniri
Nampiditra : cooper
Daty : 21/07/2006 12:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092