IZANY NO MITIA ? (Hery RAKOTOARIJAONA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZANY NO MITIA ?

Fa io fitiavana io
No hozatra mpanetsika ny fo hilantolanto
Fa io fitiavana io
No retsika mpanetsika ny saina tia kanto…

…hitarika fisiana
Tsy tsapanao mivantana,
Nefa mahaliana
Irina hifampitantana.

Fa betsaka ny ratra
Ho azonao tsy satry, zakaina samirery
Ny fiaina-mahazatra
Hanjary very sasaka sy ho teritery

Fa io fitiavana io
Mamy toa tantely, nefa misy faikany ;
Fa io fitiavana io,
Toy ny homa-miadana, tsy tsapa ny fiantraikany ;
Fa io fitiavana io,
Toa hahafaty tampoka rehefa tena liana…

…fa io fitiavana io
Tsy hisy fanenenana rehefa am-po madio

Hery RAKOTOARIJAONA (03 Desambra 1990)
Lot IVN 64 Ankadifotsy
Antananarivo - 101
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
560 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hery RAKOTOARIJAONA
Nampiditra : kihika
Daty : 18/11/2021 08:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0266