You are here: home > Vetso

FANDRESENA - herytsimitovy

Azo vakiana?

Sarotra ny miana
nefa mora ny mitsara
ireo tsisy antenaina
dia lasa voasarika

Tsy fidiny azy ny hangalatra
nefa kosa... nihoapefy
satriny tsy hivary lavo
satria izay aloha  no mety

Aza tsaraina izy
mafy anie zany noana
o ry ray mba mamalia
izy anie miandry foana

Betsaka ny hataka
vavaka ve tsy natao
nefa indisy tsy voafaritra
ny talaho no manoloana

Ho anao ry zaza iny
aza mbola very fanantenana
ataovy tsara ao an-tsaina
fa mbola ao ilay anjara

'Zao atao  an-dohanao
raha mbola misy ny mazava
dia ho hisy ny anjara
ka hazava lay tantara

Aza mora kivy
mitraka,atanjaho ny saina
mbola ho tonga ny maraina
dia izay ilay FANDRESENA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : herytsimitovy

Nampiditra : salegy
Daty : 03/02/2006
Mpamangy : 770
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

ny zavatra nisy