You are here: home > Vetso

otam-pitia - Holimihanta

Azo vakiana?

Endrika nofinofy,
feo mandalondalo,
toky toa farofy,
mitia anaty tsiaro.

Halatra? Sinto-mahery,
ny fonao no ala-tsiny,
aleo ho anao indray ny fery,
niaretako fahiny.

Fa ny anay eh! anjara,
lahatra no nanotàko,
ady tsy ho fitsàra,
satria voasoratra hiafaràko.

Koa andeha antsoy ny tody!
Anaovy hiaka aho fa ratsy!
eny an-tratrany aho no mody,
mpandresy aho fa manan'azy,

Sokajy : Fitiavana, Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Holimihanta

Nampiditra : nnjiva
Daty : 25/01/2011
Mpamangy : 731
Mankafy : 0