Tsara ny olon-tiana Fa ts (Hortense R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsara ny olon-tiana
Fa tsy voatery ho vady
Mety izy ilay nirina
Fa tsy vonona hiady

Tsy revy sy mampiaraka
Ny anaty tokantrano
Ka any vao hisaraka
Zay vao tena angano

Fa mahaiza misafidy
Ny vady sy ny sipa
Ny iray mahalala adidy
Ny hafa mora tsy hita

Raha sendra andro sarotra
Mitsangana, sy vonona
Fa tsy am-bava no mivarotra
Teny maro mampionona

Ka na tinao aza izy
Tsy anio ihany ny fiainana
Dieny mbola afa-misafidy
Hanampy anao ny fisainana

Teny atsipy ho an'ny hendry
Mba tsy hanenina any aoriana
Mba hahita ilay voatendry
Ilay mendrika ho vadiana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2027 4
Hevitra mandeha
Fatals ( 23/12/2016 05:18)
tsara e!sady mifono anatra be le tononkalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hortense R
Nampiditra : hortense16
Daty : 21/12/2016 05:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134