Tsy ho any (Hr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
https://www.youtube.com/watch?v=4P5GqeJwalM


Tantara efa nivalona an-taona maro lasa
No injao mifoha indray misangy ny eritreritro,
Dia mitamberina eto tsy mbola voafafa
Ny nisy tamin'ireny,
Ny teny Ankatso teny,
Sy ny teny Ambolokandrina,
Mbola mahamanina...
Saingy tsy hiverenana,
Ary tsy hanenenana fa niaina tam-pitiavana.

Dia eto aho 'zao misento,
Fa reko tena reko
Mikoriana anatiko any ny tsiaro anao rehetra ry botakeliko iny,
Mbola sary an-tsaiko 'zay niainana fahiny,
Tsy mbola voafafa ireo tantara lasa f'hatrany voatahiry,
Ny foko toa mikiry handalo sy hivily
Kanefa na izany...
Aleo aloha tsy ho any.

Mantsy, izaho manahy, sao ianao nahavita
Namono 'zay mba sisa fifandraisantsika,
Ka aleoko misafidy ny hiaina ho irery,
Aleoko misafidy ny miaina anaty ferin'
Embona anao,
Eny e! Tsy ho any aho
Raha tsy hoy ianao "avia",
Raha tsy milaza ianao fa mbola tena tia,
Tsy ho any aho fa sao...
Sao tsy horaisinao.

(Hr)
--------
Rohy:
399 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hr
Nampiditra : socrateHr
Daty : 20/01/2020 09:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145