TIAKO IZY (Daz'art Tolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tovavavy iray.
'Zay tsotratsotra izay
No mihelina mandalo, an'eritreritro any.
Ka amoronako izao kalo
Sy nofinofy mamy:
Inoako ho paradisa
Ny androny tontolony
Ka fiderana alinkisa
No hikalony eo imolony
Ary moa tsy sambatra izy,
Raha mbola eto antany
Eny ho sambatra mihitsy
Izany zazavavy izany.


Nefa iza "IZY"sy ny anarany.
'Zay olontiany sy tantarany.
Mba satriko mihitsy
Raha toa ka sitrakao
Ny hilaza vitsivitsy
Ireo mombamomba anao
Fa sao ianao tokoa
Izany zazavavy izany
Mba hanasitran'ity fo
Sy ratram-poko tany ho any.
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Fitiavana
1456 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daz'art Tolotra
Nampiditra : Iarindria
Daty : 04/02/2015 13:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134