HENOY ANGE! (Ilay Malalako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao io indrindra no tiako ho afarana,
Ianao izay manaiky fa taom-pivoarana.
Izao andro izao ka indro mitolona
Hitolona adidy,dia sahia sy vonona.

Ianao maodimaody sy lalim-pitetika,
Izay handrosoana, isanandro,matetika,
Mba raiso ho adidy ny tenin-drazana
Andrao tonga vato natsindry ahazana.

F'indray,etsy an-daniny,ianao tsy mba rotitra
Raha toa mihevingevin-tsy marina fototra,
Ianao izay sondria- mankasitraka fotsiny,
Ireo rendrarendra sy ireo rotsirotsiny.

Ianao io koa no tiako ho hafarana
Hoe:aza ho isan'ny mpanarangarana,
Tolory fitiavana amam-pisasarana,
Ny tenin-drazana; andeha hianarana.

Fa moa tsy ianao no mpitehaka fatratra
Ireo mpikabary mahay mifandafatra:
Fitia fararano tsy lany ohabolana
Iroa loharano tsy ritra vahaolana?

Ianao io ary no tiako ho afarana:
Avia!Mitsangana hanatevin-daharana
Ireo mpikabary,ka dia fianarana,
No indro ataovy mba ho lalana hizarana.

Mankasitraka tompoko!
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
994 1
Hevitra mandeha
famoha ( 04/08/2016 16:31)
Iangaviana Ilay Malalako(ny mpanoratra ity tononkalo ity) mba hamela hafatra eto na hanoratra any @ (mailaka) rjeanbaptiste105@gmail.com na any @ 0343151236 raha mahita ity.
Misaotra tompoko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay Malalako
Nampiditra : famoha
Daty : 04/08/2016 16:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089