You are here: home > Vetso

Anjarany angamba! - Iony

Azo vakiana?

Anjarany angamba!

Tsapanao ve ny hakiviany
Am'izato fihafiny?
Fahorian'izay tafiany
fiainana tsy hidifiany

    Fantatrao ve ny hanoanany
    Am'izato fahasahiranany?
    Harerahana 'zay zakainy
    Nefa ariary no ilainy

Renao ve ny hatsikany
Am'zato mba bikany?
Voron-damba iakanjony
Tsy ambany tsy ambony

Henonao ny redirediny
Am'zato mba fiteniny?
Teny ratsy tsisy heviny
Vazavaza tsisy setriny

Hainao ve ny nofinofiny
Am'zato efa rofiny?
Hampanjaka ny safidiny
Fa tsy laitra ny tsy fidiny

                    Iony R.

Sokajy : Fahantrana

Hevitra mandeha

gasitiako (16/12/2005 13:22:23)

tsara tena tsara
ho lova sy tantara

tohizo hatrany ny tantarany
fa ho be mpakafy ny fiafarany

de mahereza Iony
@ karazan-tononkalo toy itony
tsy ho ela dia hobabonao ny fony
@ fitiavan-tononkalo
zay mampifandray indray ny mpifahavalo

gasitiako

hasiniony (07/01/2006 10:38:01)

Misy hevitra ratovina,
misy zavatra tovozina.
Ary noho ianao Poeta
Dia misy foana ny hetaheta.

Hasiniony namanao, mankahery!

mpitovo (03/11/2011 17:30:39)

tsara e!

aiza ny sasany?sa mbola ireo aloha no masaka?

mazotoa dia izarao e!

Mpitovo

iony (15/11/2011 06:09:23)

Mpitovo, reo alou atreto no masak!msaotr e!d manantena anareo koa!

iony (15/11/2011 06:10:28)

Mpitovo, reo alou atreto no masak!msaotr e!d manantena anareo koa!

Hametraka hevitra

Midira aloha