Tiako ho tantsaha (iraay)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao kanefa
Tsy mahay manetsa
Tsy mahay mikolo
Ny tontolo ambanivolo

Tiako ho malala
Nefa ndrao tsy ho tamana
Hanao ny raharaha
Fanao-nay eny antsaha

Tiako saingy mihaingitra
Ka hilaza fa hoe maivoka
Sy hanangan-tezitra
Raha atao mitaona zezika

Tiako ianao ho namana
Fa ny mitsongo anana
Ndrao tsy hainao
Ka aoka ihany izao

Tiako ho andefimandry
Fa ndrao mataho-mandry,
eo ambony tsihy
Ka hanahirana ahy atý

Tiako ho andry hiankinana
Nefa sao ianao tsy mihinana
Saosety sy ny ovy
Ka hitomany hody

Tiako atao hoe tiana
Ndrao tsy zatra fihafiana
Ka aleo aloha mangina
Sao hanimba ny any aoriana

Fa....
Mety vazivazy izany
Mety ho marina ihany
Fa raha toa ianao 'lay mamiko
Dia hatoro sy hampianariko
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
122 3
Mpakafy: Tinalahatra - RIXAM - iraay
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : iraay
Nampiditra : iraay
Daty : 04/03/2024 13:08
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147