Nefa matokia (Iriantso)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Minia tsy mijery
Sa kosa tsy mahita
Ny loza mianjady
Ny firenena ianao?

Nefa,
Matokia, hoy izy
Fa tsy maintsy ho tafita
Ny tolona sy ady
K'aza manahy ianao

Tsy renao va
Ireo fitakiana
Namoizana aina
Nanimba tanàna?

Nefa,
Matokia hoy izy
fa aoriana
Mbola ho avy ny andrandraina
Manàna fanantenana

Dia natoky izaho sy ianao
Fa ho avy ilay Edena
Eto Madagasikara

Kanefa hatramin'izao
Nofy fotsiny no volena
Fa tsy miova ny tantara.
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
903 1
Mpakafy: Iriantso
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iriantso
Nampiditra : Iriantso
Daty : 22/08/2014 14:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131