REHEFA... (J.J.F)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa...

Mandronitra lava
Amin'ny andro mazava,
Teren' adi-tsaina
Ka be fitaraina
Misento isan'ora
Fa tsapa tsy mora
Ny Tsisy mpijery
Ka toa manirery
Tanondrika hatrany
Sy lasa vinany
Tsy mahita andrandraina
Torovana ny aina
Mivesatra antambo
Tsy manana hambo:
Toy izany no mianjady
Rehefa ny vady
No tonga miamboho
'lay lamban'akoho.......
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
670 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : J.J.F
Nampiditra : J.J.F
Daty : 19/11/2014 08:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126