FAMONJENA (Rija Ralijaona)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAMONJENA

Raha mahatsiaro ho irery ianao
Raha solafaka andao mitsangana,mandehana
Raha mangetaheta ianao
Misy loharanon'aina vao,ho anao

Fa ilay zanaky ny Ray mbola ho avy ho anao
Ilay namoy ny ainy ho an'izao tontolo izao
ho famonjena ho anao...

Fa izy irey ihany,no afaka amaha
Ireo zioga sy ireo antra ao aminao
Hobio ankalazao,atolory ny fonao
Ary hisy hery vao ho ahy sy ho anao...

Adinoy dieny izao
Ireo toetra ratsinao hatrizay,hatrizao
Misy hery iray vaovao
Raiso izany ho anao mba katsaho,mba tantano

Fa ilay zanaky ny Ray mbola ho avy ho anao
Ilay namoy ny ainy ho an'izao tontolo izao
ho famonjena ho anao...

Derao ny Tompo, Andriamanitra mahery
Fo madio sy mendrika atolory ho azy irery
Satria tempoliny isika izao...
--------
Lien:
Catégorie : Fiderana
1674 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rija Ralijaona
Inséré par : Axxl
Date : 05/09/2011 09:07
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116