You are here: home > Vetso

Lalatiana - Jamesdean

Raha fitiavana no ambara
Maro be ireo tantara
Efa heno sy voajery
Ary tsy mba nankahery

Nefa kosa ankehitriny
Lasa izaho no toa asiany
Tsy hay anefa ny ao afara
Hoe hanahoana ny tantara

Fa ny Tompo be fitia
No ianteherana, iankihinana
Fa hitondra antsika arĂ½
Am-paradisan'ny fitia

Ka izao no tiako ambara
Ho anao ry Lalatiana
Raha tsy ianao no eo anila
Dia aleoko hatory hangina
                                                         29.10.03      22h53

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Jamesdean

Nampiditra : jamesdean
Daty : 29/10/2003
Mpamangy : 1262
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Fitiavana