Ny tia sy ny tiana (JM Rakotomalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tia sy ny tiana

Ny tia sy ny tiana
No tafara-dia
Miventso sy mikalo
Tsy misy mampimalo

Rano sy vary
Tsy mifanary
Ketsa maniry
Ka indray mitsiry

Ny fasana tokana no hany hanafongana
Ny hafan'izany hiomehezana ihany
Ny tia sy ny tiana
No tafara-dia
Rano sy vary
Ka tsy hifanary
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
945 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JM Rakotomalala
Nampiditra : rktj
Daty : 04/05/2007 19:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132