You are here: home > Vetso

HIEZAKA AHO - JORO

Azo vakiana?

Hozakaiko 'zany anjara
Na ho ratsy na ho tsara
Holanjaiko ampitsikiana
'Zany ziogam-pahoriana

Hiaretako ny jaly
Amin'ny fo falifaly
Hosotroiko ny kapoaka
Hiafiko tsy an-kitsoaka

Dia koboniko ho ahy irery
Ka hositraniko ny fery
Ka na mafaitra na mangidy
Hotontosaiko rehefa adidy

Ka any taona any
Mbola hisava ny aizim-be
Ka ho foana ny tomany
Hody fifaliam-be
              JORO

Sokajy : Ady

Hevitra mandeha

paolla (25/10/2007 08:40:02)

slt !!!!
Tsar f tohizo e!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : JORO

Nampiditra : Moundzee
Daty : 30/11/2006
Mpamangy : 1267
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

ANATRA
Asa...!
Neny