anjara sa lahatra (josoa poeta )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
anjara sa lahatra
anajarako ve ? ny toy izao
misedra zavatra maro
tsy hay lazaina
makahy, mampalaina
sa? lahatra nifandrify
tsy hay hidifina intsony
de misy ve ny anajara
de tsy ahazo izay
mba tandrify aho
zay mba azo
tsy misy intsony
fa nalazo sy lao
izay mba antenaina
nanjary nanangatsandry
hamono hanapitr'aina
midiridiry,mampitapify
lasa nofy sisa no eto
fa fo naratra sy niseto
ny rano maso
manganohano
ny hafa koa manapy trotraka
ka vao maika nanakivy
ary tsy afaka migodona
satria mo ny tena irery
anjara sa lahatra ireny ?
lahatra ve de hosendra ny mafy
anjara ve de hiatrika izay miatra
mafy fidona tokoa
ra anjara no azoko a!
ary tsy anatsafidy ra lahatra
fa mety hisy ihany ny hiafarana
JOSOA R
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
936 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : josoa poeta
Nampiditra : roberthinos
Daty : 01/08/2014 12:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0282