IANAREO POETA (JP)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianareo no manentana ny mpamaky,
Hanainga herim-po handiavana ny fiainana,
Hitsangana hiady,hitolona ka hitaky,
Ny rariny afenina,ny hitsiny itarainana.

Ianareo koa no hitondra anay mpamaky,
Hanainga ny nofy ho eny an'habakabaka,
Hampitempo ny fo,hiaina sy hamaky,
Ilay fitiavana lafatra, fitiavana miavaka.

Ianareo mihitsy no hiantso ny mpamaky,
Hanainga ny saina revo ao an-davaka,
Hilaza aminay hoe"mibebaha malaky",
Hanafatra ny gasy hifona sy HIVAVAKA.

Izahay mpamaky,dia hitsara anareo,
Ianareo mpananatra sy mpamoha ny saina,
Ka mety hilaza hoe "ny poeta mankaleo",
Raha ny hadalanareo no tsy ovaina.

JP 14/08/2015
--------
Rohy:
406 1
Mpakafy: JPshka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JP
Nampiditra : JPshka
Daty : 15/10/2019 13:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137