Ry fireneko Ry Gasikarak (Kalo mamatonalina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry fireneko
Ry Gasikarak ô!
Nahoana re ianao no voahozona indrindra raha samy firenena eto an-tany?
Nahoana re ianao no tsy afaka mampilahatra izay fombanao maha malagasy izany?
Nahoana no tsy mety mandroso fa mihemotra laharana hatrany hatrany?
Nahoana no tsy ny vahoakanao no misitraka ireo harenanao izay ao ambanin'ny tany?

Ry Malagasy ô!
Fa maninona ianareo no manosi-boa tanana ireo fomba amam-panaon'ireo Ntaolo?
Fa maninona no tsy soavina ny tanindrazan-tsika fa avela ho toy ireny tany haolo?
Fa maninona no manao tsinotsinona ny teny malagasy izay tenin-drazantsika?
Fa maninona ny an tena no nitsakitsahina dia nasolo an'ireo izay nanjanaka an-tsika?

Nga adino sahady ny ran'ireo maritiora Malagasy, nitolona niady ho an'ny firenena?
Izay nitolona sy niady ho an-tanindrazana mba ahazaona indray ny fahaleovantenam-pirenena
Ireo maritiora nanolotra ny ainy mba hamerenana indray ny hasin'i Gasikara
Dia mba ho Madagasikara mendrika sy vanona no holovain'ireo taranaka hafara

Ry tanora aty hafara, aza atao ambanin-javatra ny fitenin-drazanao
Ry tanora tsarovy, fa fomba malagasy no namolavola anao vao tonga olom-banona ho toy izao
Ka rehefa tafita ve ianao dia manamavolavo fa hoe:" ny fomba malagasy dia efa fomba ambany"
Kanefa tsarovy ry tanora fa ianao dia mbola misyvm Ra Malagasy mikorina hatrany

Kalo mamantonalina
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
487 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kalo mamatonalina
Nampiditra : Kalonny_mamantonalina
Daty : 02/08/2020 15:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0786