“NOFIKO…” Nofiko ho (KALO-TIA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“NOFIKO…”
Nofiko hono hoe : indray maraina izay
Teo an-jaridaina nisy tovolahy iray
Toa mihondrika izy izany, ary koa mijerijery
Avy eo nitraka dia niroso, nitondra raozy mavokely
Mamindra mankaty ny fijeriko azy izany
Tsy mitraka mihitsy fa mibanjina ny tany
Asa inona angaha no mahavariana azy ao
Sa mitily izato raozy izay nongotany aman-taho?
Tonga teo anilako izy nanolotr’ilay voninkazo
Izaho anefa tsy nandray fa toa nihazoazo
Midobodoboka aok’izay ny any anatiko rehetra
Ny foko any ho any tena vaky sy mitsetra
Satria ilay olona niriko no mijoro eto anoloana
Tsy afa-mihetsika ny tanako fa tsy aiko hoe ahoana!
Ka na dia ny tenako aza dia lasa olo-moana
Te hiteny fa tsy mety, te handeha fa tsy afaka
Ka ny masoko ihany sisa no nampitako izato hafatra
Nosintoniny aho anefa, hanaraka azy ho any
Ka izao izay sary vongana dia nihetsika avy hatrany
Toa tsy nisy intsony ilay nanjo ahy teo aloha
Fa nilalao nifampisangy ireto zahay roa
Ka toa nibaliaka voamaraina ny masoandronay roa
Niara-nahatsapa hoe samy tia ny ao am-po
Indreo izahay fa nilalao sy nifampitositosy
Fa raha iny izy hanoroka ahy dia, tapak’ilay NOFY
KALO-TIA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1288 2
Mpakafy: Rhayman - KALO-TIA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KALO-TIA
Nampiditra : KALO-TIA
Daty : 17/10/2015 10:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0625