iny aliny iny.. (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indray alina mangina,izay nitondra nofinofy
nandrendrika ny saiko tsy ahasaraka azy intsony
fa nitondra hafanana,nivimbinan'ireo toky
ka nambabo izato foko,hitampify eny ami'fony

izay alina izay no nampitsiry ny fitiavako
hitia tsy ankisalasala ny aminy rehetra
mbola anaty nofy anefa ka indro tsy voalazako
fa ny foko mitia azy amin'ny fotoana tsisy fetra

io alina io ihany dia babony ny foko
te hiantso sy hikika mafy ny anarany
io alina io anefa nampitsiry ny toloko
satria taitra tsy nampoizina noheveriko efa fantany.......

zay fitiavako azy izay...
anio ka mandrakizay..
--------
Rohy:
1117 1
Mpakafy: kanto01
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 04/10/2017 16:46)
dia aza atao ho nofy intsony
ilay valin-teny izay nandrasany
f'efa babonao mantsy ny fony
ka ekeo dia adinoiny koa ny lasany

dia ho fitiavana vaovao
no hanohizany ny diany
ka hiray lalana aminao
no maminy indrindra ary faniriany

dia tsy ho alina intsony
no hibanjinanao ny fitiavany
fa ny mazava avy ao am-pony
no hilaotra avy amin'ny vavany

mifankatiava tsara àry e!

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
04/10/2017
kanto01 ( 24/10/2017 17:03)
mankasitraka d misaotr euh..tonga ny hafatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 01/09/2017 19:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147