Manina anao (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa re ny foko midoboka foana
dia efa ela no naniry anao
Efa sasa miandry izy mba ho afa-tsaona
maniry fitia ao am-po vaovao

Matoa ko ny saiko tsy mety mitony
dia manina foana an'ilay olotiana
Mitroatra tsy tana,tsy manaiky intsony
fa manim-pahatsiaroana an'ilay faniriana

Matoa eh,ny androko maloka hatrany
dia tsy ampy anao mba handrindra ny amiko
Matoa ny tontoloko iri-tsesilany
dia efa voasora-mangidy izay mamiko
--------
Rohy:
1025 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 07/09/2017 04:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141