You are here: home > Vetso

Manantena - kanto sarobidy

Azo vakiana?

Niriko ho anjarako amin'ny fiainako any aorina
handrindra ny androm-piainako ny amiko rehetra
hahaizako mitia sy mitazona ireo dina
ka ato ampoko ny fonao,no hiriko  hitoetra

faniriko foana, iaina hatrany ny finoako
fa ny didin'ny fitiavako dia anao irery ihany
raha sendra malaelo ity foko mitoloko
dia ianao no fanafody manasitrana an'izany

izay amiko rehetra dia natokako ho anao
ka tsy hisy intsony ahasarika, ny fo afa ts'iray
ho finidin'ireo toky sy ny voady izay natao
dia hitia anao irery aho, ary ho mandrakizay...

Hametraka hevitra

Midira aloha