Ny Fitiavana… (kanto sarobidy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaty minitra monja,tsy hita sy nanjavona
Ilay ora niarahana,nitondra firavoana
Ireo hita fa nanenjika,niteny..sy nolavina
Na mamy na mangidy,dia odiana tsy tsaroana

F'izany ny fitiavana,tsy hijerena taona
Ka n'iza tojo sarotra,mijoro sy mikiry
Fa ny tsara n'alahelo mifandimby eny foana
F 'izay notiavina ao ampo,no ataovinao tahiry

Ka....

Na misy toetra ratsy,ka mankarary fo
Miseho na tsy niriana,tsy takatrin'ny saina
Mitambatra ny sitraka,atezerana avokoa
Tsy mampiova ny fitiavana,na dia mampitaraina
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
383 1
Fans: kanto01
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149