vavak'olotiana (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray รด...

Aza ataonao fantany,izao fijalin' izao
f'aleo izy hiaina amin'ny fifaliana hatrany
Aza ataonao tsapany fa misy orana mitraho
Ny manodidin'azy feno fandrin-tsesilany

Ataovy manalavitr'azy ,ireo sento sy toloko
Fa tiako ny hafaliana, hitohy foana hatrany
Aza ampandalovina amin'ireo setra maro loko
Ny fony izay mitia,ka mba ho lavitra tomany

tantanonao ny diany, ny lalana alehany
fa maro ny mpamingana amin'izay tsy ampoizina
rakofy ny herinao hatrany koa ny ady atrehany
mba tsy ho solafak'izy ary tsy ho mora vizana..
--------
Rohy:
1262 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 07/09/2017 09:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108